- Lyriques Evangéliques Malagasy -

Ny talenta izay efa nomenao ahy
Hiderako Anao n' aiza misy ahy
Mba hamelon' aina, hampitony saina
Hampiray ny miaina
Hira fiderana ho Anao ry Ray
Tsy afaka ato am-bavako mandrakizay
Hira mampifaly, mampitony jaly
Mampiravoravo fo

( Rakotomamonjy Mialy - Fihirana fanampiny FJKM N° 4 )

 

 

Musique chrétienne, parlons-en !

J'aimerais seulement vous poser quelques questions : est-ce qu'on chante pour soi, ou est-ce qu'on chante pour Dieu ? Ecoutons-nous un groupe ou une chorale, ou est-ce que ce groupe ou cette chorale nous fait chanter Dieu ? ...

Sommes-nous conscients encore du sens du sacré et du sens du profane ? Ou est-ce qu'il n'y a plus de différence entre le sacré et le profane ? ... Beaucoup confondent les douces émotions avec la réalité profonde de la présence de Dieu qui transforme et qui rend actif et non pas consommateur. La vraie présence de Dieu nous pousse à servir et tout ce qui n'est qu'émotionnel nous pousse à consommer ...

Pour moi, la musique est devenue pour beaucoup une drogue évangélique qui a remplacé une réelle relation avec le Seigneur Lui-même ... Les chrétiens ne prient plus ! Les jeunes ne prient plus ! Les responsables ne prient plus ! Mais tous ont des CD et des DVD musicaux ! Ils ont remplacé leur temps de prière personnelle par la musique ...

Je crois qu'un chant de guerre chrétien est un chant de guerre ; je crois qu'un chant de guerre du monde est un chant de guerre ; je crois qu'un chant de guerre démoniaque est également un chant de guerre. Alors je vous dis simplement ceci :

« Faites TOUT pour la gloire de Dieu par l'Esprit de Dieu qui est en vous ». Nous devons nous poser certaines questions : est-ce que cela nous rapproche de Dieu ? Ou est-ce que cela nous centre sur nous-mêmes ? ( Pierre Truschel )

 

 

Titre
Chanteur
Harena sy fananako
Ny Tompo momba anao
Dieu Tout-Puissant
Fitiavan-dehibe
Amazing Grace / Grâce étonnante
Tsy miova Aho
Andriamanitra tsy mandao
Omeo fo madio
Tsy haiko Tompo
Fitia agape
Aza avela
Hihira ho Anao
Olona afaka
Satriko
Abraham
Esory re ry Raiko
Hankaiza izahay
Haram-bato
Hiara-mandeha Aminao
Hody vovoka
Isaorako
Izaho ry Jesôsy
Ny fahombiazako
Zanaka adala
Eo ambany fahasoavanao
Ray ô ! Mamin'ny foko

AMAF
AMAF
Arnera H.
Bruno sy Malala
John Newton
Hantatiana
Laurent Rakotomamonjy
Mpitory (ny)
Mpitory (ny)
Ndriana Ramamonjy
Rado
Tiana sy Solange
Trompetra Fanantenana FLM
Voahirana

Remerciements à
Ramy Ratsimbazafy
PS : Fichiers Midi qui furent enlevés par la suite
Pour cause : fichier volumineux de cette page

 

HARENA SY FANANAKO

Ianao Jesô no manasitrana ahy, Ka tsy hanafenako ny aretiko
Ny indrafonao tsy hay faritana, No manamaivana ny zioga entiko
Ianao ilay nihombo teo Kalvary, No anankinako ny fiainako
Ianao mahita ny adin-tsaiko ety, No antenaiko hampody ny marainako

Fiv :
Tsy avelako Ianao Jesôsy ô ! Raha tsy mandray ny tanako
Ka idongiako tsotra izao Ho HARENA SY FANANAKO
Mba manana an'iza moa aho ? Fa Ianao no Tokiko !
Matoa miantoraka Aminao Ry Raiko sady Zokiko

Inty aho Jesô raha toa ka sitrakao, Miaraka amin'ireo halotoako
Manolo-tena ho diovinao, Manorina Aminao ny finoako
Na toa ny voatsinampy bitika, Ka avelanao hiantefa ao am-po
Ny sombin-dranao mba mipitika, Izay dia efa ampy hanadiovana ahy tokoa

Ny fahotan'izay mangeja ahy, Ka toa mampisaraka ahy Aminao
Dia ivalozako eto anio ry Ray, Mba ahazoako ny fiainan-baovao
Koa hamasino ho mendrika Anao, Mba ho voninahitrao ry Ray Tsitoha
Izao fanoloran-tenako izao, Ampio hahay hifikitra Aminao tokoa

AMAF (Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Mars 1998)

 


Le Schtroumpf musicien de Peyo

 

ANDRIAMANITRA TSY MANDAO
Fiv :
Ry mpanota ô tsarovy f'Andriamanitra tsy mandao
Andriamanitra tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao no maniasia, Mandeha mizotra miankavia
Fa Andriamanitra tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao no mamilafila sady mitady ho toa tsy mila Azy
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao

Fa raha nanafatra anao Izy ka niteny manao hoe :
" Lalan-kely arahina Fa aza mizotra amin'ny lalam-be ! "
Tsy nino an'izany ianao, Fa io hoy ianao no hita fa tena tsara
Nefa io izoranao io e, any an-davaka no miafara

Fa raha naniraka anao Izy ka niteny manao hoe :
" Mitoria ny Filazan-tsara Ho ren'ny olona marobe ! "
Ianao tsy nitory fa natahotra ny hifandona amin'i losifera
Tsy mba nanana Finoana fa vao voadona dia efa nianjera

Fiv farany :
Ry sakaiza ô tsarovy fa ny Tompo dia tsy mandao
Fa ny Tompo dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao no maningatsingana, Sasa-miarina fa voafingana
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao
Fa ianao tia ny mialangalana, Te hiverina antsa-dalana
Fa Izy dia tsy mandao e ! Tsy mandao anao

LAURENT RAKOTOMAMONJY
(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Avril 1998)


______________________________________________

 

NY TOMPO MOMBA ANAO
Ianao ilay hoe tsy manam-piahy, Amin'izao fiainana izao
Matokia dia aza manahy, Fa ny Tompo momba anao
Ianao ilay hoe mosarena, Diso anjara fitiavana
Ho anao ny famonjena, Dia ilay tena havana

Fiv :
Fa ny Famonjen'i Kristy Manome fiainam-baovao
Manasitrana ny fo naratran'ny adim-piainana tety

Koa raha mandeha miampita ny ony, Tsy hanafotra anao izy anie
Aza miherikerika intsony, Fa ny Tompo momba anao
Aza ataonao ho irery ianao, Raha manary anao ny havanao
Ny olombelona no mandao, Fa ny Tompo momba anao

AMAF (Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Mars 1998)

 

_______________________________________________________________________

 

AMAZING GRACE
Amazing grace, how sweet the sound,
That saved a wretch like me!
I once was lost but now I'm found,
Was blind, but now, I see.

'Twas grace that taught my heart to fear,
And grace, my fears relieved.
How precious did that grace appear
The hour I first believed.

Through many dangers, toils and snares
I have already come.
'T'is grace that brought me safe thus far,
And grace will lead me home.

The Lord has promised good to me,
His word my hope secures;
He will my shield and portion be,
As long as life endures.

Yes, when this flesh and heart shall fail,
And mortal life shall cease,
I shall possess, within the veil,
A life of joy and peace.

The earth shall soon dissolve like snow,
The sun forbear to shine;
But God, who called me here below,
Will be forever mine.

John NEWTON ( 1779 )

AMAZING GRACE ( Grâce étonnante )

Grâce étonnante, doux murmure,
Qui sauva le misérable que j'étais ;
J'étais perdu mais je suis retrouvé,
J'étais aveugle, maintenant je vois.

C'est la grâce qui m'a enseigné la crainte,
Et la grâce a soulagé mes craintes.
Combien précieuse cette grâce m'est apparue
À l'heure où pour la première fois j'ai cru.

À travers les dangers, les filets, les pièges
Je suis enfin arrivé.
C'est la grâce qui m'a protégé jusqu'ici,
Et la grâce me mènera à bon port.

Le Seigneur m'a fait une promesse,
Sa parole affermit mon espoir;
Il sera mon bouclier et mon partage,
Tant que durera ma vie.

Oui, quand cette chair et ce cœur auront péri
Et que la vie mortelle aura cessé,
Je posséderai, dans l'au-delà,
Une vie de joie et de paix.

La Terre fondra bientôt comme de la neige,
Le Soleil cessera de briller,
Mais Dieu, qui m'a appelé ici-bas,
Sera toujours avec moi.

John NEWTON ( Traduction française )

 

 

 

AZA AVELA
Aza avela aho hahalala ny anton'ny nanaovanao
Ny hariva mamanala ary ny maraina vao

Fiv :
Tsy ho takatry ny saiko izay rehetra lahatrao,
Ny angatahiko ry Raiko aoka aho hatoky Anao

Aza avela aho hanontany ny hafaliana atolotrao
Na ny anton'ny tomany efa hitako hatrizao

Aza avelanao hamefy ny ampitso izay Anao
Aza avelanao handrefy izay ho fitantananao

RADO (Georges Andriamanantena)
(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - Sep 1994)

 

__________________________________________________________________________

 

SATRIKO
Sarobidy loatra Jesôsy ô ! Ny Fitiavanao ahy,
Niaretanao ny mafy ka nanaiky halatsa-dra
Nanavotanao ity aiko, namonjenao ny Fanahy Jesôsy ô ! Faly aho, tena afaka

Satriko tena satriko, tsy hisaraka Aminao, Mandrakizay Jesôsy ô !
Ka ny voady masina ataoko, Ka averiko eto indray : ho tia sy hanaja Anao Mandrakizay

Tsy voasanda vola sy harena ny Fitiavanao ahy
Fa sarobidy ny Famonjena, Sy ny nanavotanao ahy,
Androany aho Jesôsy ô ! Tena babonao tokoa e ! Eny tiako Ianao satria efa tia ahy taloha

Satriko, tena satriko ny foko sy ny Fonao Hitempo tena iray Jesôsy ô !
Satriko, tena satriko hiombona Aminao Mandrakizay

VOAHIRANA
(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - Juin 1996)

 

____________________________________________________________________________

 

FITIAVAN-DEHIBE

Endrey ny Fitiavan-dehibe, Nomenao ry Jeso ho ahy re
Ny Ranao latsaka, no fanavotana
Endrey ny Fitiavanao Jeso

Jesôsy Tompo tia no miantso anao, Milaza hoe : " ny ota avelao ! "
Ny lalanao hazava, ny aizina hisava
Jesôsy Tompo tia no miantso izao

Fiv :
O mba hevero izao ilay Tompo tia Mpamonjinao
Ny Ainy natolony, hamonjy ny olony

Seigneur, Tu m'as aimé tel que je suis
Tu as illuminé ma pauvre vie, Ma route est éclairé, mon âme libéré
Seigneur, Tu m'as pris tel que je suis

Jeso, raiso ny fiainako ho Anao, Ny foko tsy madio mba sasao
Ho lapanao ho soa, mamiratra tokoa,
Jeso, raiso ny fiainako ho Anao

BRUNO SY MALALA
(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - Juin 1996)

 


Le Schtroumpf musicien de Peyo
Ravo dans le Parc Andringitra

EO AMBANY FAHASOAVANAO

Fantatrao fa tsy tanteraka aho ry Tompo ô !
Nefa endrey fa nanankinanao asa
Tao anaty alin-kisa no niantsoanao ahy
Mba ho isan'ireo irakao

Fiv :
Inona e, Raiko ô, no hatahorako
Raha Ianao no mitsilo 'zany diako ?
Izay miaraka Aminao e tsy mba manana ahiahy
Fa mahery matoky am-panahy

Tsy miafina Aminao ny halotoako ry Ray ;
Koa hamasino ho mendrika Anao
Ka mba ho eo ambany fahasoavanao tokoa
No hanekeko ho irakao

Hiainga aho hamakivaky lalan-tsarotra
Mety ho kivy satria nofo ihany aho
Rehefa injay fa mila hiraviravy tanana
Mba misehoa Ianao

... Eo ambany fahasoavanao

AMAF (Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana) : Jordan
(Source : FJKM Andravoahangy Fivavahana)

 

___________________________________________________________________

 

OMEO FO MADIO
Tompo ô, omeo ahy ny fo madio, Mba hahaizako mitia Anao
Meloka aho kanefa ahitsio, Mba tolory ny Fitiavanao
Fa mahery mandresy ihany koa, Izay rehetra miankina Aminao
Afaka ahiahy, miadam-po, Mahatoky fa manana Anao

Fa raha ny heloka efa vitako menatra aho, Na dia ny hanonona ny Anaranao
Efa nanao izay ratsy indrindra teo imasonao, Indrisy resin'izao tontolo izao,
Ry Tompo
Fahafatesana anie no mendrika ho ahy izao, Nefa navotanao aho
Fahaverezana mandrakizay, No sahaza ahy hatramin'izao

NY MPITORY
(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Déc 2000)

 

____________________________________________________________________

 

TSY HAIKO TOMPO
Tsy haiko Tompo ô ny miaina lavitra Anao (2) Raha tsy eo anilanao aho mitaraina
Tsy hita izay atao (2) Fa … resy Ka aiza indray aho no hila Famonjena
Raha reraka ny tena (2) Aiza intsony aho no hiantoraka
Raha sendra trotraka ka mila ho potraka
Maro fahavalo anie ity tany izay diaviko ity (2)
Be fakam-panahy mandavo sy manembana ny dia
Izany indrindra no hilako Anao Kristy ô, Tantano re sao dia sanatria mikodia
Izany indrindra no itadiavako Anao, hiaro ahy, Tsy ho voasemban'ireo fakam-panahy

NY MPITORY
(Source : Ramy Ratsimbazafy - Mai 1990)

 

______________________________________________________________________

 

RAY O !

Ray ô ! Mamin'ny foko ny eo anilanao
Ray ô ! Izany no iriko tano aho sao saraka Anao

Fiv :
Ray ô ! Ray ô ! Anilanao Raiko ô ! (bis)

Ray ô ! Vonon-kanompo raha eo anilanao
Ray ô ! Mitafy nofo tano aho sao saraka Anao

Ray ô ! Olon-kandalo ento aho anilanao
Ray ô ! Be fahavalo tano aho sao saraka Anao

Ray ô ! Anilanao Raiko feno ny soa
Ray ô ! Saraka Anao 'zany no loza tokoa

(Source : FJKM Andravoahangy Fivavahana)

 


Sony Tuckson, Buck Danny & Jerry Tumbler
de J.M. Charlier, Victor Hubinon et Françis Bergèse
- Ravo, Jenny, Pierrette, les co-webmasters de Pensée Chrétienne -

FITIA AGAPE

Fitia Agape : tsy omena mpandalo
Fitia Agape : tsy miandry takalo
Fitia Agape : no ambony indrindra Jeso
Fitia Agape !
Fitia Agape : manolotra foana
Fitia Agape : no mendrika indrindra
Fitia Agape : ny Fitiavanao Jeso

Fiv :
Fa na dia miteny amin'ny fitenin'ny olona sy ny anjely aza aho
Nefa tsy manana an'izany hoe : Fitia Agape
Dia tonga varahina sy kipantsona izay mikarantsana anie aho
Fitia Agape no tsara indrindra Jeso

Fitia Agape : tsy mitady ny azy
Fitia Agape : fa mora fanahy
Fitia Agape : tsy hanao izay tsy mahamendrika
Fitia Agape !
Fitia Agape : tsy mirehareha
Fitia Agape : mandefitra foana
Fitia Agape : mifaly amin'ny marina

NDRIANA RAMAMONJY
(Source : Raivo Ratsimbazafy - Noël 1996)

 

______________________________________________________________________

 

TSY MIOVA AHO
Faly aho fa manana Anao, Tompoko sy Andriamanitro
Ianao irery hatramin'izay, Izay nanome toky hoe :

Fiv :
" Aza matahotra Ianao, fa momba anao Aho
Ary aza miherikerika foana F'Izaho no Andriamanitrao !
Fa Na dia mandra-pahantitrao, dia tsy miova Aho
Mandra-pahafotsy volo anao Hisahirana Aho,
Izaho no nanao anao sy hitrotro anao
Hitondra anao sy hanafaka

Raha sendra adim-panahy, Zanaka aho ka be ahiahy
Injao manako ao am-poko ao izao, Ilay Teny mamy nataonao

HANTATIANA
(Source : Raivo Ratsimbazafy - Nov 1994)

 


Illustration : Rado Ratsimbazafy 1997
( sur Paintbrush 3.1 )

 

OLONA AFAKA
Olona afaka izahay ry Jesôsy Tomponay fa Resinao ilay Fahavalonay,
Ilay satana lozabe 'zay nangeja hatrizay Ry Tompo ô dia efa resinao

Faly ravo izany foko fa nisinda ny toloko,
Fahoriana sesehena nosoloina famonjena

Fikasako anie ry Tompo, Ny androko rehetra ry Jesôsy ô, Atolotro Anao,
Ka diovy, hamasino ny tenako rehetra, Fa Ianao no tena Masina

Trompetra Fanantenana FLM 67 Ha
(Source : Ramy Ratsimbazafy - Juillet 1998)

 

______________________________________________________________________

 

HIHIRA HO ANAO
Hihira ho Anao aho, hihira aho Jesô
Hifaly e, hiravo, satria mihira ho Anao
Hihira ho Anao aho, hankalaza Anao Jesô,
Satria tsapako sarobidy ny Famonjenao ahy
Indraindray, sarotra izany lalako :
Fahoriana e ! Fijaliana e ! No iaretako
Izany anefa vao mainka mampifikitra ahy Jesô,
Satria tsapako, sarobidy ny Famonjenao ahy
Ka …
Hihira ho Anao aho, hihira aho Jesô
Hifaly e, hiravo, satria mihira ho Anao
Hihira ho Anao aho, hankalaza Anao Jesô,
Satria tsapako sarobidy ny Famonjenao ahy

TIANA SY SOLANGE
(Source : Ramy Ratsimbazafy - Juillet 1998)

 

______________________________________________________________________

 

NY FAHOMBIAZAKO
Ny fahombiazako Jesôsy dia avy Aminao, Ny fahombiazako tsy amin'ny heriko na tanjako
Raha izaho irery no mandeha amin'ny heriko, Fahakiviana no mandreraka ny aiko

Tsy hisaraka Aminao aho ry Mpamonjiko lalaiko, Fa Ianao no manam-pahefana
Efa resinao ny adiko,
Tsy hisaraka Aminao aho ry Mpamonjiko lalaiko, Ka tsy hatahotra aho tsy hanahy

(Source : Ramy Ratsimbazafy - Juillet 1998)

 

______________________________________________________________________

 

IZAHO RY JESOSY
Izaho ry Jesôsy dia vonona izao, Vono-kitsangana hanaraka Anao
Kanefa Jesôsy malemy tokoa, K'avia re tantano dia ho tafita soa

Fiv :
Jesô malala ô ! Mpamonjy tia, Raiso re fa ondry mania,
Jesôsy tantano, tantano izahay, Tantano Jesôsy sao lavo eto indray

Fa ny fahotako dia maro tokoa, Ka tsy mba mendrika Anao Tompo soa
Nefa ny avotra tao Kalvary, Tokiko mandra-pialako ety

Ny foko Jesôsy, atolotro Anao, Mbola maloto kanefa sasao
Eny Jesôsy, sasao ho madio, Ao re mitoetra manomboka anio

Ny tenako rehetra dia vonona izao, Vonon-kanefa izay sitrakao
Aina no fetra hanarahako Anao, Raiso aho Jesôsy mba ho mendrika Anao

Fanahy Masina ô ! Tsinjovy izahay, Tsinjovy hahita ny lapan'ny Ray
Midina Jesôsy ety aminay, Midina Jesôsy, ka raiso izahay

(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Mars 1999)

 

______________________________________________________________________

 

HARAM-BATO
… Haram-bato izao lalako izao Tompo ô, Voadidin'onja sy rano maria
Nefa raha Ianao no mitantana anay Tompo ô, Ho vatolampiko mandrakizay
Fa zazabodo kely Tompo ô, Nefa maniry hanaraka Anao
Mbola tsy nandia izao fiainana izao Tompo ô, Ka sakambino hanaraka Anao

(Source : Pierrette Raharimanantsoa - Déc 1999 Souvenir Voyages de noces Sainte Marie)

 

______________________________________________________________________

 

ESORY RE RY RAIKO
Esory re ry Raiko, ity kapoaka mangidy,
Fa reraka ny aiko, nefa izao no didy
Ny sitrakao ry Raiko, izay tianao atao,
Ekeo ny foko sy ny saiko Raiko Atao anie ny sitrakao !

Na mamy na mangidy no atolotrao, Tsy ahy ny safidy, ho sotroiko izao ry Raiko
Ny sitrakao ry Raiko, izay tianao atao,
Ekeo ny foko sy ny saiko Raiko Atao anie ny sitrakao ! (bis le tout)

(Source : Dimby Andrianarison - Nov 1990)

 

______________________________________________________________________

 

HIARA-MANDEHA AMINAO

Hiara-mandeha Aminao hatrizao Jeso no iriko tokoa,
O raiso ny tanako hatsotra Aminao, Fa atolotro koa ny fo

Fiv :
Handroso isan'andro na aiza aleha, Na mora na sarotra atao
Tsy hiala tokoa na hivadika re, Ambara-pahatonga Aminao (2)

Hiara-miasa Aminao hatrizao, Jeso no iriko tokoa,
Ka hanana fo antra toy ny Anao, Hanarina ny efa voa

Raha avy indray tsy ho ela Ianao, Izaho handao ny ety
Hiaraka amin'ireo navotanao, Handova ny lanitra ery

Fiv farany :
Ho sambatra indrindra ho tretrika koa, Hanatrika ny Tavanao
Kanefa izay hafaliako tokoa Hiara-mitoetra Aminao (2)

(Souvenir : Nandraisana ahy ho mpandray ny fanasan'ny Tompo - 05 Jan 1992)

 

_____________________________________________________________________

 

HANKAIZA IZAHAY
Hankaiza izahay Jesôsy ô ? Aminao, aminao, ao aminao !
Tsy misy zava-tsoa, Jesôsy ô ! Ho anay afa tsy ao Aminao

Fiv :
Aminao, Jesôsy, Aina ho anay
Aminao, Jesôsy, izay no mahatsara anay

Raha mbola eto koa, Jesôsy ô ! Toky sy aronay, ao Aminao
Tsy misy vonjy koa, Jesôsy ô ! Ho anay afa tsy ao Aminao

Raha hody izahay Jesôsy ô ! Sambatra, tretrika ao Aminao
Ho hitanay ny Ray Jesôsy ô ! Ampy izay, soa tokoa, ao Aminao

(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - Juin 1996)

 


- Pierrette, Ravo, Jenny, les co-webmasters de Pensée Chrétienne -

ISAORAKO
Isaorako Anao ry Tompoko, Ny nanavotanao ny fiainako
Fa efa lavo aho no nakarinao Ahita indray ny fiainam-baovao
Ny fahotako e ! Voasasanao tokoa, Fa nodiovin'ilay ranao soa
Ampototry ny hazo fijalianao, No hanekeko indray hanompo Anao

Isaorako Anao ry Raiko Tia, Ny nanavotanao tao Kalvary
Ny zanakao ilay malalanao tokoa Ho avotr'aina famonjena soa
Ka anio no hanavaozako indray ry Ray, Ny fanompoako Anao mandrakizay
Tantano aho hanaraka ny sitrakao, Ambany tanam-pitiavanao

Isaorako Anao Fanahy ô ! Ny bitsika mangina tao am-po
Nitaomanao indray ity mpanota iray, Hiverina ho ao am-balan-dRay
Tolory saina hendry lalandava re, Hahay manompo na aiza na aiza aleha
Ho Voninahitr'Andriamanitra tokoa, Ny andro sisa izay hiainako

(Source & souvenir : STK FJKM Ankadifotsy -
Tafika Masina Kamolandy Maevatanana - Aug 1991)

 

_____________________________________________________

 

HODY VOVOKA
Inona marina no ao an-tsainao, Heverinao fa mandrakizay ianao e !
Rehefa tapitra ny andronao e ! Tsarovy anie fa vovoka ianao

Fiv :
Mbola hody vovoka ianao Rehefa antsoin'ny Ray hody any aminy
Tsarovy anie fa vovoka ianao (bis)

Ianao milaza fa matanjaka, Ny nahabe anao tsy mba heverinao e !
Rehefa tapitra ny andronao e ! Tsarovy anie fa vovoka ianao

Ny tovolahy izay tena matanjaka, Ny tovovavy izay tena tomady
Rehefa tapitra ny andronao e ! Tsarovy anie fa vovoka ianao

(Source & souvenir : STK FJKM Ankadifotsy -
Tafika Masina Kamolandy Maevatanana - Aug 1991)

 

_____________________________________________________

 

ZANAKA ADALA
Inty ilay zanakao nania fa miverina Aminao,
Efa trotraky ny adalana vao nahatsiaro Anao
Mifona (2) Fa ho aiza moa ?
Koa manomboka anio dia tano ho Anao,
Hafoiko ilaozako avokoa izao rehetra izao
Ny ditra sy ny rendrarendra efa ampy ahy izao,
Ampy izay ! Ianao no tiako indrindra
Ny fahotana efa vitako dia hanenenako,
Lalana nandratra ahy loatra ka tsy hiverenako
Soa ihany (2) Fa novonjenao aho

(Source & souvenir : STK FJKM Ankadifotsy -
Tafika Masina Ambia Kamolandy Maevatanana - Aug 1991)

 

_____________________________________________________________

 

ABRAHAM
Chercheur de Dieu, ton cœur était insatisfait,
Tout autour de toi C'étaient les idoles qu'on adorait
Sacrifier sa vie, celle de ses enfants, Au dieu sanguinaire, au dieu de l'argent
Ce n'était pas l'appel que tu entendais Au fond de ton cœur
Aussi un beau jour, tu es parti en aventurier
Coupant les racines qui te retenaient A ton passé
Pars de ton pays, Je te bénirai, Car je fais pour toi un très beau projet
Disant cette voix que tu entendais Au fond de ton cœur

Ref :
On dit que partir c'est mourir un peu, Partir c'est mourir un peu
Mais s'en aller pour chercher Dieu C'est trouver la vie (bis le tout)

Et tu as cru, toi qui n'pourrais plus avoir d'enfant
Quand la Voix disais : " Compte les étoiles dans le firmament
Tu auras des fils encore plus nombreux, Tu seras le père des chercheurs de Dieu
De ceux qui saurront comme toi Ecouter au fond de leur cœur
Le Dieu vivant car c'était Lui qui te parlait,
Te donne un enfant, Toi qui n'pouvais plus en espérer
Et lorsqu'il te dit : " Donne-moi la vie de ton fils unique ", Toi qui survieilli
Tu sais que Dieu seul peut guider ta vie Et combler ton coeur
(Source : M. Richard ESCA - Janv 1990)

 

________________________________________________________________

 

DIEU TOUT-PUISSANT

Dieu Tout-Puissant,
Quand mon coeur considère
Tout l'univers créé par ton pouvoir ;
Le ciel d'azur, les éclairs, le tonnerre,
Le clair matin ou les ombres du soir
De tout mon être, alors s'élève un chant }
" Dieu Tout-Puissant, que Tu es grand ! " } bis

Quand, par les bois
Ou les forêts profondes,
J'erre et j'entends tous les oiseaux chanter,
Quand, sur les monts,
la source avec son onde,
Livre au zéphyr son chant doux et léger
Mon coeur heureux s'écrie à chaque instant }
" O Dieu d'Amour, que Tu es grand ! " } bis

Mais quand je songe,
O sublime mystère !
Qu'un Dieu si grand a pu penser à moi ;
Que son cher Fils a porté ma misère,
Et que je suis l'héritier du grand Roi
Alors mon coeur redit, la nuit, le jour : }
" Que Tu es bon, ô Dieu d'Amour ! " } bis

Quand mon Sauveur,
Eclatant de lumière,
Se lèvera de son trône éternel,
Et que laissant
Les douleurs de la terre,
Je pourrai voir les splendeurs de son ciel
Je redirai, dans son divin séjour : }
" Rien n'est plus grand que ton Amour ! " } bis

H. ARNERA
(Source : Jean Dieudonné Ratsimbazafy - Oct 1992
)

 

 

Si vous aimez chanter :

Click here for a free download!
Télécharger gratuitement vanBasco's Karaoke Player

 

 

 

 

RATSIMBAZAFY Ravo Nomenjanahary & Pierrette
Courriel : r_ravo@hotmail.com
Tél. ++ 261 32 41 063 65

The Christian Counter
The Christian Counter

 

Ce site est