- Missions d' évangélisation de « Pensée Chrétienne » à Madagascar -
- Tafika Masina, AFF, de 1991 à ce jour -

Un chrétien sans don de grâce, cela n'existe pas !
Malheureusement, un chrétien sans service existe
quand il ne met pas ses dons au service du Seigneur

 

 

Donne-moi la force de faire fructifier mon amour au service d'autrui.

Donne-moi la force de soumettre ma force à Ta volonté avec amour.

[ Rabindranath Tagore ]

 

 

 

 

 

photo de Madagascar photo de Madagascar photo de Madagascar photo de Madagascar
 

Madagascar

Un pays où règne encore l'occultisme et toutes sortes de cultes rattachés aux traditions, plus particulièrement aux esprits et aux morts

 

Magazine du FJKM Ankadifotsy, Antananarivo, Madagascar - Gazety Fafana - Pensée Chrétienne, missions d'evangelisation à Madagascar, webmaster Ravo.Madagascar

 

 

           

TAFIKA MASINA nasionaly tany Anjomà Nandihizana
SP Amoron’i Mania - ( 50 + 6 ) Km avy eo Ambositra
Lalan’i Manandriana / Ny 16 - 20 Jolay 2019


 

Nozaraina 3 ny Tarika
Ka ireto avy ny toerana voatondro haleha, sy ireo Filohan-tarika voafidy ary ireo solotenan’ny SA AFF Foibe isan-tarika :

 

Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
                 

1- Nosy Lava ( Analalava – SP Sofia Antsohihy ) :
Voafetra ho olona 10 ny mpiantafika ho any. Voafidy ho mpitarika i Mme Bako ( avy ao @ Vehivavy Sakaizan’ny AFF ) – Ary ho solontenan'ny SA AFF Foibe : Pasitera Dina Razaf sy Mlle Evà.



2- Vohiposa ( RN7 SP Matsiatrasoa ) :
Voafidy ho mpitarika i Toton Daniel ( Mpiandry avy ao @ FJKM Andrainarivo, ary efa filohan-tarika t@ 2018 tany Antanimbaribe Kandreho ) – Ary ho solontenan'ny SA AFF Foibe : Pasitera Fano ( izay efa tany Antanimbaribe Kandreho koa ny taona 2018 ).



3- Anjomà Nandihizana sy Camp Robin ( SP Amoron’I Mania ) :
Izay nisy ireo solontenan'ny SA AFF FJKM Ankadifotsy. Voafidy ho mpitarika izaho mpanoratra : Ravo ( izay filoha mpanampy ao @ SA AFF FJKM Ankadifotsy, ary efa filohan-tarika koa t@ 2018 tany Antanimbaribe Kandreho ) – Ary ho solontenan'ny SA AFF Foibe : Pasitera Triomphe ( Talen’ny SA AFF Nasionaly ).

 

Ireto ireo mpiantafika 5 avy ao @ FJKM Ankadifotsy
Tao @ Tarika ANJOMA NANDIHIZANA sy CAMP ROBIN :

1- Miaramiangalinoro Augustine ( Tafika Masina Nasionaly TMN 2018 Antanimbaribe Kandreho )
2- Raheliarisoa Hajarizoely ( Mpanolotsaina SA AFF Ankadifotsy – Birao )
3- Razafintsalama Irène Claudie ( Mpitantsoratra SA AFF Ankadifotsy – Birao )
4- Beninandiana Luciana ( Mpitantsoratry ny vola SA AFF Ankadifotsy – Birao – Mpiandry vaovao )
5- Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary ( Filoha Mpanampy ny SA AFF Ankadifotsy – Birao - TMN 2018 )

 

Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Tafika Masina tany @ faritra Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania
56 Km avy eo Ambositra - sary rehetra : Ravo 2019 ©

 

Toy ny mahazatra ny Tafika Masina iarahana @ SA AFF Foibe isan-taona dia ny isan-tarika no miandraikitra manontolo sy misahana ny fampandehanan-draharaha rehetra. Koa satria saro-pady ny resaka vola dia niangavy an’i Luciana avy ao Ankadifotsy aho hitantana izany tao @ tarika Anjomà Nandihizana. Ary dia nanaiky izy, isaorana ny Tompo. Niangavy an’i Totoa Claudie ( Ankadifotsy ) koa aho hiandraikitra ny PPN sns.

Raha naniry mafy ny ho any « Nosy Lava Analalava » aza ny solontenan'Ankadifotsy dia tany « Anjoma Nandihizana, faritr’i Manandriana » no sitraky ny Tompo halehany ( t@ alalan’ny antsapaka natao no namaritana ny toerana halehan'ny tsirairay isam-pitandremana sy isam-batan'olona ).

Dia nisy ny fivoriambe faharoa niarahan’ny mpiantafika rehetra. Maromaro no tsy tonga intsony t@ io ( tsy toy ny t@ fivoriambe voalohany ; izany hoe maromaro no niala an-daharana noho ny antony tsy mazava ). Vitsivitsy ihany koa anefa ireo olom-baovao nanampy isa ny mpiantafika ( toy ny avy any Toamasina : Betela, ny avy any Ilanivato ary ny avy ao @ FJKM Ambatonakanga izay nirotsaka avokoa tao @ Tarika nisy an’Ankadifotsy ( Tarika ANJOMA NANDIHIZANA ). Io fivoriambe faharoa io no nanapahana fa FOANANA i « Nosy Lava Analalava » noho ny antony maro samihafa. Voalaza tao manko fa tsy maintsy lehilahy daholo no mankany ary tokony ho lehilahy mahay miteny Sakalava, dia misy fadifady maro any, dia miomana ny mpiantafika fa mety tsy hisy hampiditra azy ireo an-trano ka mety ho eny @ plage fotsiny no matory sy manao afon-dasy fitoriana, sns.

Nafindra ho any « Camp Robin » izany ny Tarik’i Nosy Lava Analalava ary nampiana ny ekipan’i Imerintsiatosika ry zareo. Dia lasa toy izao indray ilay Tarika telo teo :

 


1- Vohiposa ( RN7 SP Matsiatrasoa )
Mpitarika i Toton Daniel ihany ( Mpiandry avy ao @ FJKM Andrainarivo, efa filohan-tarika t@ 2018 tany Antanimbaribe Kandreho ) – Ary ho solontenan'ny SA AFF Foibe : Pasitera Fano.

2- Anjomà Nandihizana ( SP Amoron’i Mania, faritra Ambositra )
Izay nisy ny ekipan’Ankadifotsy. Mpitarika i Ravo ihany ( ny tenako izany izay filoha mpanampy ao @ SA AFF FJKM Ankadifotsy, efa filohan-tarika koa t@ 2018 tany Antanimbaribe Kandreho ) – Solontenan'ny SA AFF Foibe : Pasitera Triomphe ( Talen’ny AFF Nasionaly ) - tsy afaka indray izy t@ ora farany ka dia nosoloina an'i Rtoa Hanta izay filoha mpanampy ao @ SA AFF Foibe. Nisy mpiantafika 16 izahay tao ka ny 14 vehivavy daholo ary roa monja ny lehilahy ( dia izaho sy ilay iray avy any @ FJKM Antsampandrano dia i Rija ).

3- Camp Robin ( RN7 SP Matsiatrasoa )
Mpitarika i Mme Bako ( avy ao @ Vehivavy Sakaizan’ny AFF ary tany @ Tafika Masina Nasionaly TMN tany Antanimbaribe Kandreho toa anay sy i Tonton Daniel koa ny taona 2018 ) – Solontenan'ny SA AFF Foibe : tsy nisy ( i Rtoa Hanta no saika nalefa tany ). Ary dia ny Filohan’ny AFF SP Amoron’i Mania no solontenan’ny AFF Foibe tany, dia i Pasitera Joséphine avy ao Ambositra tampon-tanana izany.

 

Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Mamakivaky tanimbary sy fefiloha ary miampita rano
Sary fahatelo : Ravo, Tolotra, Augustine, Rija
Mbola miverina any @ farany ny sarin'i
Ravo sy Rija eto @ ity sary ity
Photo prise au Retardateur

 

TAFIKA MASINA Nasionaly
« Anjomà Nandihizana – SP Amoron’i Mania Ambositra »


Talata 16 :

Fandefasana ny horonan-tsary « Jesoa » t@ 7 hariva h@ 9 hariva teo ho eo. Nokarakarain’i Pasitera Mamitiana – SP Amoron’i Mania. Nanerika be mihitsy ary nanerika tsy nijanona sady nangatsiaka tanteraka ny andro sy ny alina. Tao anatin’ny herika mamirifiry sy ny hatsiaka izany no nanatontosana ilay film. Tsy misy herinaratra ao Anjomà Nandihizana fa « groupe électrogène » no ampiasaina. Nodimandry talohan’ny nahatongavanay ilay Mpiandry FLM tokony handray sy hikarakara anay, noho izany dia nanahirana tokoa ny nahitana vilany, WC sy douche. Dia voatery natory tao @ biraon'ny « Commune » izahay rehetra ( tsy tao no noheverina handraisana anay t@ voalohany ).

 

Alarobia 17 sy Alakamisy 18 :


14 ny Mpiantafika avy aty Antananarivo.
01 ny Mpiantafika avy any Toamasina.
01 ny solontenan’ny AFF Foibe ( dia ny Filoha Mpanampy Rtoa Hanta ). Ary
24 ny Mpiantafika avy ao @ SP Amoron’i Mania.

Izany hoe nisy Mpiantafika 40 olona izahay. Tsy nisy mpitari-dalana ( na guide local ) na dia iray aza ! Sambany nisy Tafika Masina nasionaly tsy nahitana mpitari-dalana na dia iray aza. Asa fitoriana « porte-à-porte » t@ fokontany manodidina sy ny fokontany Anjomà Nandihizana no natao.

 

Zoma 19 :

Andro tsena an’Anjomà io koa dia niverina nizara ny Groupes indray izahay, i Pasitera Clara izay Filoha nitarika anay teo aloha, efa nandao anay rahateo ny maraim-be an'io Zoma io ka lasa izaho indray no Filoha nitarika ny rehetra tany an-toerana. Naverinay nozaraina ho 5 Groupes spéciaux vaovao indray izany izahay, ka samy niditra t@ Groupe izay naharesy lahatra azy, afa tsy ny Groupe N° 5 dia ny Groupen'ny fikarakarana ny sakafo izay efa voatendry mialoha hatramin'ny voalohany ( hatramin'ny niaingana taty Antananarivo ) ; ireto ireo 5 Groupes spéciaux vaovao ireo :

1- Ny Groupe nitory t@ « Mégaphone » tao an-tanana ( tao an-tsena )
2- Ny Groupe nitory t@ alalan’ny « contact personnel direct » tao an-tanana ( tao an-tsena )
3- Ny Groupen-ny Rojom-Bavaka ho an’ny asa manontolo sy ho an’ny Ekipa 3 ( nisy olona 4 monja )
4- Ny Groupe nanohy ny asa fitoriana toy ny natao ny andro voalohany sy faharoa ( 17 & 18 ) Ary
5- Ny Groupe nikarakara ny sakafo ny tontolon’ny andron’io mazava ho azy

 

Sabotsy 20 sy Alahady 21 :

Nody ny Ekipan’Antananarivo fa ny Ekipan’i Amoron’i Mania sisa no nanohy ny Asa

Ireo Mpitarika tao @ Tarika ANJOMA NANDIHIZANA :

- Ravo : Filohan-Tarika Antananarivo ( FJKM Ankadifotsy )
- Luciana : Nitantana ny Vola manontolo ( Budget ) - ( FJKM Ankadifotsy )
- Totoa Claudie : Nitantana ny PPN sy ny vary sy ny laoka ( FJKM Ankadifotsy )
- Pasitera Clara Filohan-Tarika Amoron’i Mania ( FJKM Ambalafeno Firaisana )
- Rtoa Hanta ( solon-tenan’ny SA AFF Foibe – Filoha Mpanampy ao @ SA AFF Foibe )

 

Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Sary nalaina t@ Panasonic DMC-FZ72 an'ny zandriko Ramy
Sary faharoa : ny Groupe 4 Zoma : Rosalée, Ravo, Rija

 

Détails du Timing :

Alarobia 17 sy Alakamisy 18 :

6 Km miala ny RN7 i Anjomà Nandihizana. Ary 10 Km avy eo i Manandriana. Nizara ho 4 sous-Groupes ny Mpiantafika rehetra ka samy nifandimby nahandro ny sakafo sy nitory sy nanao ny maraim-baovao ary ny alina fiambenana ireo 4 sous-Groupes ireo. Nisy olona 9 teo ho eo ny sous-Groupe tsirairay avy.

 

Groupe 1 :

Nisy an’Ankadifotsy 3 dia i Hajarizoely sy i Totoa Claudie ( izay samy nanao ny sava-lalana tany Berenty Betsileo niaraka tamiko ny taona 2018 - Berenty Betsileo faritr'Ankazoabo Atsimo ), ary i Luciana ( Mpiandry vaovao taona 2019 ). Niampy ny Ekipan’Amoron’i Mania toa an’i KD RaPierre ( Filoha Mpanampin’ Amoron’i Mania ). KD = Katekista Délégué.

 

Groupe 2 :

Nisy an’Ankadifotsy 1 dia i Augustine ( izay nanao ny TMN tany Antanimbaribe Kandreho niaraka tamiko ihany koa ny taona 2018, niaraka tamin-dry Pasitera Fano ), i Tolotra ( Filohan’ny SA AFF Alasora Betesda ), i Rija ( hany lehilahy niaraka tamiko t@ Ekipan’Antananarivo – FJKM Antsampandrano - efa niaraka nanao Tafika Masina koa izahay ny taona 2017 tany @ faritr'i Morondava rehetra iny niaraka t@ SPIA 19 sy ry Pasitera Dina Razaf ), i Totoa Bernadette ( Toamasina – Betela – Mpiandry ) ary ny tenako ( Ravo ny Alakamisy 18 ). Niampy ny Ekipan’Amoron’i Mania toa an-dry Balisama ( Mpiandry ), ry Rosalée ( Mpiandry ), ry Tovo. Nizara ho 2 sous-groupes de 4 personnes izahay.


Ravo, Augustine, Rosalée, Rija /// Totoa Bernadette, Tovo, Balisama, Tolotra.

 

Ny fokontany IANATSONGA izay midadasika tokoa no nosahaninay. Dia ireto tanana ireto : Antsinjo, Ambalafeno, Ampany Atsimo, Ampany Avaratra, Mahaimaso, Betela ( izay misy Fiangonana FLM ), Ambany lalan-drano, Ankazotokana, Ambodiharana, Soalafy, Maro Omby. Niampy ireo tanana maro izay nataon’ny sous-groupe 2 an-dry Totoa Bernadette ( FJKM Toamasina ) izay tsy voaraiko ny anaran'ireo tanana tany.

 

Groupe 3 :

Nisy an’i zoky Lisa ( Mpiandry FJKM Ilanivato ), i KD Aurélie ( FJKM Ilanivato ), i Tômine ( FJKM Andravoahangy Fivavahana ) ary i Totoa Lala ( Mpiandry FJKM Mahazoarivo - izay efa tafaraka taminay sy i Augustine t@ TMN 2018 tany Antanimbaribe Kandreho ). Niampy ny Ekipan’Amoron’i Mania.

 

Groupe 4 :

Nisy ahy ( Ravo, ny Alarobia 17 ), i Totoa Elise ( Mpiandry FJKM Andravoahangy Fivavahana ), i Hasina ( FJKM Andravoahangy Fivavahana ), ary i Simone ( Misionera FJKM Ambatonakanga ). Niampy ny Ekipan’Amoron’i Mania toa an-dry Honorine, ry Lisy sy ry Albine ( samy Mpiandry ), ry Rtoa Rivo ary ry Donné. Nizara ho 3 sous-groupes de 3 personnes izahay.

Ravo, Honorine, Lisy /// Totoa Elise, Hasina, Rtoa Rivo /// Simone, Donné, Albine ( izay N° 3 tao @ Ekipan’Amoron’i Mania satria izy no mpitam-bola tao ).

Ny fokontany ANJOMA NANDIHIZANA izay midadasika ihany koa no nosahaninay. Dia ireto tanana ireto : Vondrombe, Ambalavato, Fon’Ala, Ankemoa, Soafiana, Nanalofana, Ambalamahasoa. Niampy ireo tanana maro izay nataon’ny sous-groupe 2 sy ny sous-groupe 3 izay samy tsy voaraiko ny anaran'ireo tanana tany.

 

Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Fanambarana ankalamanjana an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy
nataon'ny Groupe 4 ny Zoma 19-07-2019

NB 1 :

Tanana tsy misy kifafa tao. Ary satria maty ilay tokony handray anay dia nanano-sarotra tanteraka ny nahitana ny vilany, ny lapoaly, ny WC, ny laoka ( ankoatran’ny Zoma satria tsena ny Zoma ). Ny Mpitarika moa ( guide local ) dia TSY NISY. Sambany ny Mpiantafika nandeha irery, nitady samy irery ny lalany avy, satria na ireo Ekipan’Amoron’i Mania aza tsy mbola tany @ iny toerana iny. Ary dia ny Tompo no nitari-dalana, ny Fanahy Masina no niasa. Maro ireo valan’omby tany saingy ny ankamaroany dia tsy misy omby intsony fa lasan’ny Dahalo daholo. Faritra mena ( zone d’insécurité ) i Anjomà Nandihizana. Noho izany dia tsy vitsy ireo trano manana tohatra « mobile » miakatra any ambony rihana izay esorina isaky ny hariva ny andro. Izahay Groupe 4 ohatra dia nitory t@ lehilahy « voromahery » izay karazana mpapandry tany any ( quartier mobile ), miaraka @ antsy lava. Teny an-dalana no nanaovana an'io fitoriana taminy io. Teo am-perin'asa izy.

NB 2 :

Nisy ASA SOSIALY roa nataonay tany dia ny fanadiovana ny manodidina ny « Commune » izay nipetrahanay, sy ny fanaovana lavam-pako lehibebe teo. Ary ny fanolorana latabatra « pin » sy seza « pin » miisa 32, ary mitentina 600 000 Ar. Hatolotra ny Maire an’ny « Commune » Anjomà Nandihizana io vola io. Nisy koa vola mitentina 100 000 Ar nomena an’i KD RaPierre hamatsiana ny Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka ( VOMM ) izay hatsangana ny Alahady 21 Jolay 2019. Ary vola mitentina 50 000 Ar hamatsiana ny Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka ( VOMM ) iray hafa izay efa mitsangana tsy dia lavitra avy eo ( i Dada Ramanana no miandraikitra io Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka iray hafa io ). Ireo vola ireo dia avy @ Mpiantafika Antananarivo sy Toamasina ( dia izahay 16 mianadahy mianaka ), vola nesorina tao @ ilay « budget » voalohany nomena ahy ary notantanan’i Luciana ( FJKM Ankadifotsy ) avy eo, izay nitotaly 7 780 000 Ar. Mbola nisy ambiny io vola io ary dia nozaraina t@ Mpiantafika Antananarivo sy Toamasina tsirairay, ka samy nitondra mody vola 15 000 Ar avy ny tsirairay hatao voan-dalana.

Isaorana feno ireo mpiangona tao @ FJKM Ankadifotsy izay nanome Baiboly sy Fihirana FFPM iray baoritra. Nisy t@ ireo ny nomenay mivantana teny am-pitoriana teny rehetra teny, ary nisy ny napetraka t@ ireo Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka ROA ( Dada Ramanana sy KD RaPierre ). Nisy ihany koa nomenay mba hozaraina tany @-ndry zareo « CAMP ROBIN » izay notarihin’i Rtoa Bako. Tsy nangataka moa ry zareo « VOHIPOSA ». Somary maimaika nisomaritaka be ihany koa teo am-piaingana.

 

Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Ireto sarinay roa lahy ireto dia ilay sary etsy ambony ihany
fa nohalehibiazina fotsiny - Nisy mpiantafika 16 ny Tarika Anjomà-Nandihizana
Avy aty Antananarivo ka ny 14 vehivavy daholo ary 2 monja ny lehilahy !!!

 

 

FEHINY :

Tafatsangana ny Alahady 21 Jolay 2019 ny Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka ( VOMM ) tao an-tanana. I KD RaPierre sy i Pasitera Joséphine ( izay Filohan’ny SA AFF SP Amoron’i Mania, tany Camp Robin izy ) no hiandraikitra izany mivantana. Liana ny momba an’i Jesoa Kristy ary nandray anay tamin-kafaliana ( sy t@ ranomasom-pifaliana aza indraindray ) ny olona tany an-toerana. Maro ireo Katôlika sy ireo Loteriana tany an-toerana ( izay samy misy trano fiangonana na ao Anjomà Nandihizana na ao Betela ).

Nanao ny tatitra : Ravo ( Filoha Mpanampy ao @ SA AFF FJKM Ankadifotsy ) Tél. 032 41 063 65.
( Sady Filohan-Tarika ho an’ny Tarika Anjomà Nandihizana 2019 ).
( Sady webmaster ny site Pensée Chrétienne.org sy Christian Thought ).
Voninahitra ho an’ Andriamanitra irery ihany. Amena.


Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Missions d'évangélisation à Madagascar - Tafika Masina SA AFF nasionaly sy SA AFF FJKM Ankadifotsy à Anjomà Nandihizana, SP Amoron'i Mania, Ambositra, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Ireo Tompon'andraikitra tao @ Tarika Anjomà-Nandihizana 2019

           

 

 

 

logo AFF FJKM, logo FJKM Ankadifotsy, Tafika Masina, Mission d'évangélisation, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary, Ravo.Madagascar logo AFF FJKM, logo FJKM Ankadifotsy, Tafika Masina, Mission d'évangélisation, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary, Ravo.Madagascar logo AFF FJKM, logo FJKM Ankadifotsy, Tafika Masina, Mission d'évangélisation, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary, Ravo.Madagascar

 

 

             

Fihaonambe AFF FJKM 2014 tany Mahajanga

« … Miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara » Fil 1 : 27

 

Ny 17 hatramin’ny 21 Septambra 2014 no notanterahina tany Mahajanga ny « Fihaonambe AFF » sady ivon’ny fankalazana ny faha 40 taona ny AFF Foibe. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny AFF avy ao amin’ny FJKM Ankadifotsy.

Jonas ou Paul :

Ne soit pas comme le prophète Jonas qui a refusé d'obéir à Dieu en s'enfuyant à Tarsis au lieu d'aller à Ninive. Soyez comme l'apôtre Paul, lui était disponible tout le temps pour annoncer l'Evangile, partout où le Seigneur Jésus l'envoyait et quels que soient les dangers. Paul a été très conscient de la grâce qui lui avait été faite, si bien qu'il a dit dans 1 Cor 9 : 16b « Malheur à moi si je n'évangélise pas » [ Plaire au Seigneur 2019 ].

 

Fihaonambe AFF FJKM 2014 Fiangonana Ziona Vaovao Mahajanga

Ny 60 mianadahy AFF FJKM Ankadifotsy - Naka ny sary : Hajason
( en rollover ) : Ireo mpizaika niofana tao @ FJKM Ziona Vaovao

 

Saika tsy nisy fiatoana ny fampiofanana ny andro roa voalohany ( ny 17 sy ny 18 Septambra ), zara raha nisy fotoana nihinanan-kanina ; Pastora maro no nifandimby nampiofana tamin’izany, toa ny filohan’ny AFF Foibe ny Pastora Rarijason Hery sy ny Tonian’ny Departemanta Fiangonana ny Pastora Radimisaon Jonah. Ary ho an’ireo nazoto aza dia tsy nisaraka raha tsy amin’ny folo ora alina aorian’ny Takariva Mahafinaritra izay nahavory olona maro tokoa.

 

Raha 700 teo ho eo ireo mpizaika tamin’ny fihaonambe AFF farany tany Farafangana ( roa taona lasa izay ) dia nitombo betsaka izany ( isaorana Izy Tompo Andriamanitra ) tamin’ity taona ity satria lasa efa ho 2000 olona avy amin’ny Fiangonana FJKM maro manerana ny Nosy ( hatrany Ambovombe Androy ka hatrany Maroantsetra ). Nafana dia nafana ny fiarahana sy ny fiaraha-mientana ; porofon’izany ny hira maredona mandrakariva, sady mafy no manakoako ; porofon’izany ny filaharambe tsy misy toa azy izay nampitolagaga ny vahoakan’i Mahajanga manontolo tamin’izay toerana nolalovany ( nolalovanay ) ; porofon’izany ny fitoriana nahahenika ny tananan’i Aranta manontolo ( ny fokontanin'i Aranta manontolo ) tamin’ny Tafika Masina izay natao tany an-toerana ny Zoma 19 Septambra 2014. Olona 2000 latsaka kely be izao no nandeha nitory ka nizarazara ho antokon’olona efatra isak’izay mandeha, izany hoe efa hisy vondron’olona hatramin’ny ... 500 !

AFF FJKM Ziona Vaovao Mahajanga Madagasikara AFF FJKM Ziona Vaovao Mahajanga Madagasikara
AFF FJKM Aranta Mahajanga Madagasikara AFF FJKM Aranta Mahajanga Madagasikara
Sary 1 : Takariva Mahafinaritra ny alin'ny 18 Sept - Ziona Vaovao
Sary 2 : Filaharambe namakivaky ny tanànan'i Mahajanga - 20 Sept
Sary 3 sy 4 : Asa fitoriana tao @ fokontanin'i Aranta
Rollover @ sary 4 : Aranta, ny endriky ny tanàna

 

Mora mandray olona rahateo sady tia mandray olona i Mahajanga hany ka tsy nanano-sarotra ny Asa Fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy tao Aranta ( izay maro Silamo ). Isaorana manokana an’ny Mahajanga izany fa nafana tokoa na ny fandraisana, na ny andro.

 

Lanin’ny be sy ny maro tamin’ny alalan’ny tsanga tanana fa any Morondava indray no andraisana ny « Fihaonambe AFF » manaraka ny taona 2016 ( i Tsiroanomandidy no laharana faharoa ). Ary ho fanamarihana ny fankalazana ny faha 40 taona ny AFF Foibe dia trano Fiangonana FJKM any Beroroha ( faritr’i Makay ; toerana feno Dahalo ) no hatsangana. Beroroha izay hany distrika eto Madagasikara mbola tsy misy Fiangonana FJKM. Hiara-mientana ny rehetra hanatontosana izany ary an’Andriamanitra ny asa.

 

Dia nisy koa ( ho fanohanana ny asa : fanorenana ny trano Fiangonana FJKM any Beroroha sy ho fiaraha-mifaly sy miala voly ) ny ady baolina kitra goavana izay nihaonan’ny Pastora sy Evanjelistra FJKM tamin’ireo mpilalao avy ao amin’ireo Pastoran’ny Fiangonana Zandriny. Lalao izay nialohavan’ny lalao baolin’ny Mpizaika nifanandrina tamin’ny ekipan’ny FJKM Boina Vaovao. Nahafinaritra sy nampihomehy ireo lalao ireo izay natao tamim-pirahalahiana tokoa. Tao amin’ny kianja Rabemananjara ( Dadan-dry Kiki sy Alban tao amin’ny AC SOTEMA taloha ) no notontosaina ireo lalao ireo ny Sabotsy 20 Septambra 2014, ary nandrehetana ny jiro be mihitsy satria tratra hariva ( 19h ). Ary mbola nisy koa ny Tantara an-tsehatra izay niarahana tamin’ny Sampana kolontsaina an’ny FJKM Ambatonakanga. Tantara an-tsehatra nampiseho ny fanenjehana kristiana teto Madagasikara tamin’ny andron’i Ranavalomanjaka ( Ranavalona I ) sy i Rasalama Maritiora. Tantara an-tsehatra izay notontosaina tao amin’ny « Maison de la Culture » Mahajanga ny Zoma 19 Septambra. Seho an-tsehatra izay nosoratan’i Esther Randriamamonjy.

Stade de Foot Rabemananjara Majunga Madagascar Ny Président AFF Foibe FJKM Pasteur Rarijason Hery
Sary 1 : Ny Kianja filalaovam-baolina Rabemananjara ( 18h30 )
Rollover @ sary 1 : ireo mpijery baolina, eto ny FJKM Ankadifotsy
Sary 2 : Nirava ny baolina, sary miaraka @ Prezidà AFF Rarijason Hery
sy ny AFF FJKM Ankadifotsy : Dr Lalao sy Dr Noro, Faly sy Ravo
Rollover @ sary 2 : AFF FJKM Ankadifotsy, ny toerana nivantanany

 

Momba ny AFF FJKM Ankadifotsy manokana dia nilamina tsara ny dia, ny fotoana rehetra ary ny fifankatiavana sy ny firaisankina. Efa tonga tany an-toerana roa andro mialoha izahay. Fotoana nohararaotina mba hiraisana fo sy saina tanteraka. Faly tanteraka ny mpikambana. Hita taratra izany na tamin’ny alalan’ny fampisehoana fihetseham-po nasaina nataon’ny rehetra, na tamin’ny fijoroana vavolombelona hamoahana izay ao am-po, na tamin’ny alalan’ireo sary fotsiny ihany aza ( satria miteny koa ny sary ).

Rabindranath Tagore, prix Nobel de littérature 1913, poète et philosophe

Faritra anisan’ireo mbola hanjakan’ny aizina i Beroroha ( faritr’i Makay ). Tsy misy afa tsy resaka Dahalo sy fampihorohoroana any raha ny hitan’ny masonay raha nandalo tany izahay ny volana Novambra taona 2012. Mampalahelo tokoa ny vahoaka any. Saika isan’andro izahay no nifanena mivantana tamin’ny omby halatra, tamin'ny Dahalo, tamin'ny andian-dahalo milanja basy sy kitoza ary moara ( 12 lahy izy ireo tamin'izay, endrika masiaka saingy azo resahina tsara ), tamin'ny mpanara-dia omby very, tamin'ny miaramila manao andiany ary milanja kalachnikov ; ary ny resaka eny an-dalana dia matetika no miverina ny hoe faritra mena, lalan-dahalo, toerana tsy azo aleha, ody, ody mahery vaika. Ny sofina no nandre, ny maso no nahita ary zavatra niainana izany nandritra ny herinandro teo ho eo. Tao anatin’izany no vao mainka nampiorina ny finoanay ( roa lahy izahay no tiako ambara eto dia ilay mpahandro sakafo nentiko izay mpiangona ao amin’ny FJKM Ankadifotsy toa ahy sy izaho mpitantara ). Ary dia nampitolagaga ny olona tany an-toerana io finoanay an’Andriamanitra Tsitoha io izay nahatonga anay tsy niontsina mihintsy ary nandroso hatrany amin'ny asa izay natao sy ny adidy izay notontosaina na dia izany aza ny zavatra niainana. Ary izany rehetra izany koa dia tsy mampihemotra ny FJKM hanorina ny trano fiangonana any an-toerana, fa vao mainka aza mandrisika azy hiroso amin’ny asa fitoriana dia ny Fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin'ny olona rehetra sy ho an'ny olona manontolo.

 

Indro farany filazalazana momba ny faritr’i Miandrivazo izay mitovy tsy misy valaka amin’io faritr’i Beroroha eo ambony io. Filazalazana nalaina avy tao amin’ny fampirantiana fampahafantarana nataon’ny AFF FJKM Foibe momba ny AFF sy ny Tafika Masina hatrizay nijoroan’ity Sampan’Asa ity. Fampirantiana fampahafantarana natao teo an-tokotanin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga izay fiangonana nampiantrano ny fihaonambe AFF 2014. Fijoroana vavolombelona nataon’ny Evanjelistra Miandrivazo : « Tananan’Antsondrika, 50 ny mpiangona, vehivavy daholo ! Dahalo ny vadin’izy ireo, mandeha mandranto hatrany amin’ny Tsingin’i Bemaraha. Rehefa ao an-tanana izy ireo dia tsy miditra am-piangonana fa dia eny am-baravarankely izy no mitazana sy mandray anjara amin’ny vokatra izay atao. Vehivavy no Katekista ao. I Neny Tserety ( anarany feno io fa tsy hoe Reny tsy akory ), 75 taona !!! Mpitahiry vola izy, tsy mahay mamaky teny na manoratra nefa dia tsy misy mipika ny volam-piangonana … ».

 

Dera, laza, haja, saotra ary voninahitra ny amin’izany rehetra izany ho an’Andriamanitra irery ihany.

Beroroha Makay Madagascar - Ravo.Madagascar 2012 Beroroha Makay Madagascar - Ravo.Madagascar 2012
Beroroha Makay Madagascar - Ravo.Madagascar 2012 FJKM Beroroha Madagascar
Sary 1 sy Rollover : Beroroha, ny mponina (miambozona ody)
Sary 2 sy Rollover : Beroroha, ny tanàna sy ... miaramila
Sary 3 sy Rollover : Ravo sy ny mpitari-dalana tany an-toerana
Volana Novambra 2012 : Pierre antsoina hoe Sergent ( ex-Resep )
Laurent sy Ravo mandeha sarety @ 12 ora alina, Beroroha
Sary 4 sy Rollover : Beroroha, ny ... fiangonana FJKM
Ny lalana any an-toerana, midongy ny omby eto
Ary Dahalo ilay nitondra ny saretinay

Manahirana ny maka sary Dahalo koa ialan-tsiny raha
tsy misy ny sarin'ireo andiany 12 lahy nilanja basy sy
moara izay nifanena taminay - Ravo.Madagascar 2012

 

 

Indro sary taoriana kelin'izay
Sary Doany Sakalava, faritr'i Mahajanga

 

Majunga, Madagascar, Doany Sakalava, Photos de Ravo.Madagascar webmaster de Pensee Chretienne Majunga, Madagascar, Doany Sakalava, Photos de Ravo.Madagascar webmaster de Pensee Chretienne
Faritr'i Mahajanga, Doany Sakalava
Sary Ravo.Madagascar 2014 ©

 

 

 

« Allez-donc auprès des hommes de toutes les nations et faites d'eux mes disciples ; ... enseignez-leur à obéir à tout ce que je vous ai commandé. Et sachez-le : Je ( Jésus Christ Le Fils de Dieu ) vais être avec vous tous les jours, jusqu'à la fin du monde » ( Paroles du Christ dans Matthieu 28 : 19 - 20 )

 

 

« Prêche la Parole de Dieu et annonce-là avec insistance, que l'occasion soit favorable ou non ; persuade, adresse des reproches et encourage, en enseignant avec patience. Car le temps viendra où les hommes ne voudront plus écouter le véritable enseignement, mais ils suivront leurs propres désirs et rassembleront auprès d'eux une foule de maîtres qui leur diront ce qu'ils désirent entendre » ( 2 Timothée 4 : 2 - 3 )

 

 

Témoins, nous attestons que Dieu est bon, qu'Il est fidèle, qu'Il est digne d'être célébré, loué, adoré. Ce Dieu, dans toute sa puissance, dans sa souveraineté, dans son Amour, dans son humilité et dans toute sa perfection, s'est manifesté à nous, pauvres êtres humains limités, par son Fils unique Jésus Christ, le parfait Sauveur ( Dr Bako Rahajason )

 

 

Tafika Masina Nasionaly AFF 2019 - Anjoma Nandihizana - Amoron i Mania - Ambositra - Madagascar

Evangélisation dans le région Betsileo - Juillet 2019 ©
Anjomà Nandihizana - SP Amoron'i Mania - Ambositra
Photos Ravo.Madagascar 2019 ©

 

 

Une vocation ... de génération :

... Deux siècles de déculturation religieuse ... On ne lutte pas contre la surdité en parlant plus fort à des sourds ou ... plus souvent ! ! ! C'est à la source de la surdité ou de l'aveuglement qu'il faut remonter.

 

 

Le monde qui vient a besoin de témoins actifs de la seule
Bonne Nouvelle qui donne un sens à nos vies
( Michel Menu )

 

 

Devenir un éducateur-évangélisateur durable
( Michel Menu )

 

 

Tu connais Dieu par le coeur, à présent,
tu dois pouvoir le connaître et
le faire connaître par la raison

 

Bible

Rollover Illustration
Rado Ratsimbazafy 1997
( sur Paintbrush 3.1 )

 

amulette - moara

Madagascar, gri-gri
( photo N° 1 )

 

Missions d évangélisation de Pensée Chrétienne à Madagascar

         

Victoire de l'Evangile à Madagascar

 

Le christianisme fut annoncé sur l'île de Madagascar vers 1817 par deux missionnaires, David Jones et Thomas Bevan. Peu après son arrivée sur l'île, Thomas Bevan mourut du paludisme. David Jones dut continuer seul, son principal objectif étant de traduire la Bible en malagasy.

 

Mais bientôt, la Reine du pays de l'époque, Ranavalona 1ère, par patriotisme, déclencha une violente opposition contre cette religion étrangère qui est le christianisme. Elle obligea David Jones et ses amis chrétiens à quitter l'île. La foi chrétienne allait-elle aussi diparaître du pays ?

 

Lorsque la persécution commença en 1835, il y avait à Madagascar ( plutôt à Antananarivo = Tana ) quelques centaines de chrétiens dont la plupart n'étaient venus que tout récemment à la foi. Au cours des 26 années de persécution, la Reine réduisit en esclavage plusieurs milliers de chrétiens. Plus de 200 d'entre eux furent mis à mort par la lance, le feu ou jetés du haut d'une falaise ( parmi eux, la première martyre chrétienne Malagasy : Rasalama et d'autres encore tels que Rafaralahy Andriamazoto et Ramanandalana, celle qui a accouché son bébé dans le feu ). Mais ceux qui survécurent restèrent fidèles au Christ et un grand nombre d'autres Malagasy crurent et se joignirent à eux.

 

En 1860, le nombre de chrétiens à Madagascar était d'environ 7000. Pourtant sur le plan humain, ils n'avaient rien à gagner en se convertissant ; au contraire, ils avaient tout à perdre. Mais ils avaient la Bible dans leur propre langue et, grâce à Elle, ils entretenaient une foi réelle qui fut la force de leur vie : ils ne dépendaient pas de missionnaires, mais directement du Seigneur.

( La Bonne Semence 2004 )

       
               

 

 

Ny Baiboly @ teny Malagasy

Ny 21 Jona 1835 no nahavitana printy manontolo ny Baiboly t@ teny Malagasy

 

18 Aogôsitra 1818 niantsona tao Toamasina ny sambo nitondra ny misionera 2 lahy avy @ LMS ( London Mission Society ) dia i David Jones sy i Thomas Bevan. Avy any Angletera ( Pays de Galles ) i David Jones ary nalefa taty Madagasikara hitory ny filazantsaran'i Jesoa Kristy, hanangana sekoly, hampianatra ny Malagasy ary ... handika ny Baiboly manontolo @ teny Malagasy. 8 monja ny mpianatra Malagasy t@ izany nefa dia nahafaly tanteraka azy mirahalahy ary nahavelom-panantenana azy ireo hanohy hatrany.

Indrisy anefa, nisedra ny mafy indrindra izy 2 lahy. Noho ny tazo mahery dia maty taty Madagasikara ny vady aman-janak'i David Jones ! Dia maty avokoa indray ry Thomas Bevan mianakavy, vokatry ny tazo mahery hatrany ! I David Jones aza dia voatery naverina tany Maorisy aloha hotsaboina noho io tazo mahery io. Tafaverina teto Madagasikara i David Jones ny taona 1820 ary nanohy sy nanao asa ... lehibe ! Niaraka t@ James Hastie izy io taona io ary nifandray t@ Mpanjakan'i Madagasikara Radama 1. I James Hastie moa no solontenan'ny fanjakana Anglisy teto Madagasikara.

Naharesy lahatra ny Mpanjaka Radama 1er i David Jones t@ izany hampiasa ny alfabeta latina ho solon'ny alfabeta arabo izay nampiasain'ny Malagasy fony fahizany. Nanapakevitra kosa i Radama 1er fa ny renisoratra dia ho tononina toy ny @ teny Anglisy, fa ny zana-tsoratra kosa dia ho tononina toy ny @ teny Frantsay. Dia noesoriny koa ireo noheverina ho miverin-droa toy ny « c, q, x, u, w », ary farany ny i @ faran'ny teny dia nosoloina y. Tonga nanampy an'i David Jones t@ fandikana ny Baiboly ho @ teny Malagasy ry David Griffiths sy Malagasy 12 lahy ( Rainisoa Ratsimandisa, Ratsimihara, Rasatranabo, Ratsitohaina, Rabonara, Ralaimaholy, Ramarolahy, Rakotobe, Ratsisetraina, Rainiseheno, Ramaka ary Rasoanitsirihana ). Dia nangataka milina fanaovana printy avy any Angletera ry zareo.

Indrisy fa niamboho ny Mpanjaka Radama 1er ny 27 Jolay 1828. Niasarotra tanteraka nanomboka teo ny fanohizana ny asa rehetra satria ny Mpanjaka nandimby azy : Ranavalona 1ère ( Ranavalomanjaka ) dia nanenjika ny fivavahana kristiana ary namono kristiana Malagasy maritiora maro ( toa an-dry Rasalama maritiora sy ry Rafaralahy Andriamazoto ). I David Jones moa dia voatery naverina nitsabo tena tany Maorisy ny taona 1830, noho ny resaka tazo mahery hatrany ( paludisme, malaria ) ary dia indrisy fa maty tany noho io aretina io izy ny 1 Mey 1841. Tao anatin'ny fotoana mamaivay tanteraka nanenjehana ny fivavahana kristiana i Madagasikara t@ izany.

Ny Baiboly amin ny teny Malagasy Ny Baiboly amin ny teny Malagasy Ny Baiboly amin ny teny Malagasy Ny Baiboly amin ny teny Malagasy

               

 

 

       

Par la grâce de DIEU je suis ce que je suis ( Paul dans 1 Corinthiens 15 : 10 )
Je ne suis plus ce que j'étais. Lors de ma nouvelle naissance, je suis passé des ténèbres à la lumière, de la mort à la vie ! Par son Esprit, DIEU a fait de moi un être nouveau. Donc je vois les choses différemment et je ne raisonne plus comme avant. Seigneur, que je vive d'une manière digne de ce que je suis maintenant en Toi par ton immense grâce ( Plaire au Seigneur 2017 )

       

 

fleuve Manambolo - Madagascar
                   

Numeros d'urgence :

Dans les pays développés, les personnes en difficulté ( accident, maladie, etc. ) trouvent de l'aide en appelant des numeros de téléphone spécialisés. Il y a aussi des numeros gratuits et qui répondent 24 heures sur 24 en cas de difficultés ; composez les numeros suivants :

- Si vous avez besoin de secours : Psaumes 46
- Si vous êtes dans la détresse : Romains 8 : 31 - 39
- Si vous avez besoin de courage : Josué 1
- Si vous avez des soucis : Matthieu 6 : 19 - 34
- Si vous ne pouvez pas vous endormir : Psaumes 4
- Si vous avez péché : Psaumes 51
- Si Dieu vous paraît lointain : Psaumes 139
- Si vous vous sentez seul : Psaume 23
- Si vous cherchez la paix : Matthieu 11 : 25 - 30
- Si vous cherchez la bonne direction : Psaumes 37 : 5 - 7
- Si vous voulez savoir ce que Dieu attend de vous : Rom 12
- Si vous désirez dire merci à Dieu : Psaumes 145

( Plaire au Seigneur 2010 )

         

 

       

La meilleure traduction de la Bible

On demandait à un étudiant en théologie quelle traduction de la Bible il trouvait la meilleure. Sans hésitation, il répondit : « C'est celle de ma mère. Elle ne connaissait ni l'hébreu ni le grec, mais sa vie de chrétienne a été pour moi la meilleure des traductions de la Bible. C'était une traduction vivante. On pouvait lire en elle ce que la Bible dit » ( La Bonne Semence 2011 )

 

Ce que tu es est un cadeau de Dieu,
Ce que tu deviens est ton cadeau à Dieu
( Robert H. Schuller )

 

Méthode Boscher - MF Garnier
illustrations M.F. Garnier dans Méthode Boscher 1958

 

Nos vifs remerciements à La Bonne Semence

http://www.labonnesemence.com

pour ses versets bibliques journaliers et commentés dont nous nous sommes inspirés dans plusieurs de nos pages. Ce site vous indiquera de bons écrits chrétiens francophones à lire : livres, brochures, dépliants, et vous expliquera en détails et de façon explicite la Bible.

 

 

Madagascar - île Sainte Marie

       

 

logo Pensee Chretienne logo Pensee Chretienne logo Pensee Chretienne
Le plus important est d'être certain
d'avoir la vie éternelle

 

 

 

 

RATSIMBAZAFY Ravo Nomenjanahary
Copyright © 2000 Pensée-Chrétienne
Courriel : r_ravo@hotmail.com
Tél. ++ 261 32 41 063 65


The Christian Counter

 

Ce site est
logo Megaphone ch